Fotoana mampahazo vahana ny aretina tazomoka ny volana oktobra ho avy io. Mbola voasokajy ho anisan’ny aretina mamono olona betsaka izy io eto amintsika indrindra fa ireo olona marefo
. Namono olona 560 ny tazomoka ny taona 2014. Manoloana izany dia hanao hetsika goavana entina hiadiana amin’ity aretina iray ity ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Haharitra efa-bolana izany ka hisy ny fizarana lay misy ody moka miisa 10 tapitrisa, izany hoe lay iray isaky ny olona roa, hiampy famendrahana ranom-panafody isan-tokantrano ho an’ny eto an-drenivohitra. Distrika miisa 92 no voakasik’ity hetsika ity, ka efa nanombohana izany ny Distrikan’i Farafangana. Ho an’ireo vehivavy bevohoka indray dia fanafody miisa 4 tapitrisa iadiana amin’ny aretina tazomoka no haparitaka manerana ny tobim-pitsaboana miampy ireo karazam-panafody natao ho an’ny sarambabem-bahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.