Actualités

Aretina pesta Ny antsasak’ireo tranga miisa 482 no voamarina fa tena izy


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Nahatratra 482 ny tranga nahiana ho pesta teto Madagasikara tamin’ny taona 2014 ka ny 52%-n’ireo no tena voamarina fa izy raha araka ny tatitry ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly. Voakasik’izany isika eto an-drenivohitra izay voalaza fa nahitana trangana pesta pulmonaire mihitsy, volana vitsivitsy lasa izay.

 

 Tokana ihany anefa ny paikady hoenti-miady amin’izany, hoy hatrany io tompon’andraikitra io dia ny ady amin’ny voalavo miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina, ady tokony hiarahan’ny rehetra manao mba hahafahana manafoana ny aretina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana ireo olona 15 mianadahy izay hanao ny asa fisamborana voalavo velona eto an-drenivohitra nanomboka omaly. Ny Banky Iraisam-pirenena no mamatsy vola azy ireo, olona avy amin’ny BMH sy ny fikambanana Vokovokomena eto Antananarivo. Faritra maro no fantatra fa hiasan’izy ireo toy ny eny Manjakaray, Anosibe Mandrangobato, Analakely Ambohijatovo, Namontana, 67 ha coum, Petite Vitesse,  Tsena Isotry… Hifarana ny volana septambra ny hetsika ka omena ny Institut Pasteur izay voalavo voasambotra rehetra. Na izany aza anefa dia fanontaniana mipetraka ny hoe : ahoana ny momba ireo fako miparitaka etsy sy eroa eto an-drenivohitra ? Tsy vao mainka mampitombo ny voalavo ve izy ireny ?

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT