Nankalazaina tao Toamasina ny 18 sy ny 19 jona teo ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho an’ny aretina ongobe na “drépanocytose”. Nizara roa miavaka tsara ny fankalazana natao.
Ny andro voalohany dia natokana ho an’ny mpitsabo sy ny mpikirakira ny ara-pahasalamana tamin’ny alalan’ny andro ara-tsiantifika, ny andro faharoa ny 19 jona, izay tena andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina dia ny fanazavana sy fihaonana ary fampianarana ireo marary sy ny ray aman-drenin’ireo tratry ny aretina no natao. Tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana no nanaovana ny lanonana rehetra, izay narahana fizahana sy fitiliana maimaimpoana, fanomezan-dra ary fizarana fanafody sy ronono ho an’ny marary.
Nanadino ireo mararin’ny ongobe ny ministry ny fahasalamana izay nandalo tao Toamasina ny alakamisy sy ny zoma ary ny sabotsy teo. Fankalazana nasionaly no natao tao Toamasina, nefa dia tsy nahoany izany fa nisafidy ny nifanjohy nanara-dia ny praiministra nitokana sekoly tao Tsarakofafa sy ny fikasana nanao ilay famindram-pitantanana teo amin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina sy ny Pds ary ny fihatrehana ny resaka fanjarian-tsakafo tao Analanjirofo no nahamaika azy. Na teo aza izany, dia fahombiazana ny hetsika. Nahasarika olona maro ny mikasika azy ity, am-polony maro koa no nanao fitiliana sy nanome ny rany maimaimpoana hanampiana ny marary. Ireo marary sy ny ray aman-drenin’izy ireo koa dia resy lahatra fa tsy mahamenatra ny voany ary azo tsaboina tsara ny aretina. Mahatsapa ny mpitsabo fa maro ny voan’ity aretina ity fa ny mpanao fitiliana no vitsy. Raha ny salan’isa amin’ireo mpanao fitiliana noho ny ahiahy sy ny baikon’ny mpitsabo dia 01% amin’ireo olona miatrika izany ihany no mivoaka miabo.
Ho an’i Laro Maxime avy any Andovoranto Brickaville izay manana zanaka voan’ny ongobe dia nilaza fa nahasoa azy ny nahalalany sy nidirany teo anivon’ny fikambanana. “Efa nandany vola 150.000 ariary teo anivon’ny hopitaly be izahay vao nahalala ny aretin-janakay, nefa raha vao niditra teo anivon’ny fikambanana dia ny vola 1.000 ariary sy ny 11.000 ariary fitiliana ihany no aloha isam-bolana fa ny vidin’ireo fanafody sy ny vaksiny telo tsy maintsy atao, izay tokony handaniam-bola 145.000 ariary, dia maimaimpoana no anaovana azy”. Nambaran’ity raim-pianakaviana ity fa efatra ny zanany ka ny faralahy 22 volana ankehitriny no voan’ny areina ongobe. “Raha narary lava ny zanako nandritra ny 14 volana, izao anefa sady matanjaka no azo lazaina fa salama izy”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.