Tsy mety fongotra ny aretina lefakozatra eto amintsika na dia efa anaovana hetsika matetika aza. Antony mahatonga izany ny fisian’ireo ankizy tsy vita vaksiny ankoatra ny loto etsy sy eroa, araka ny fanazavan’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Andriamanarivo Lalatiana. I Madagasikara sy Soudan Atsimo no hany firenena aty Afrika ahitana io valan’aretina io
. Hisy hetsika manomboka amin’io herinandro ho avy io. Amin’ny alalan’ny fitetezana tokantrano sy sekoly no hanatanterahana izany ka hisy mihitsy ny fanerena ireo ray aman-drenin’ny zaza tsy vita vaksiny handray anjara. Ny tanjona dia ny tsy hisian’ny aretina lefakozatra intsony eto amintsika. Hampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ireo ankizy 15 taona hatao vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra raha nijanona ho an’ireo latsaky ny 5 taona monja izany teo aloha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.