Actualités

Aretina haromotana 385 ireo olona voa tany Mahajanga


  • Zoma 24 Aprily 2015

Ny volana aprily no mampirongatra ny aretina haromotona ao Mahajanga. Maro ireo olona efa tratran’ity aretina azo avy amin’ny biby ity ka nandray ny andraikiny ny faritra Boeny sy ny Kaominina ny amin’ny famongorana azy io.

 

 Tafakatra 385 ireo olona nahitana ity aretina ity tao Mahajanga hatramin’ny fiandohan’ny taona ka tao amin’ny Fokontany Ambohimandamina no nahitana azy farany. Mba ho fisorohana dia hisy ny hetsika famonoana biby izay ahiahina ho misy aretina haromotana io toy ny alika, saka ary ny gidro izay tena matetika ahitana azy io hanomboka amin’ny ity herinandro ity. Ao anatin’ny 15 andro aorian’ny kaikitr’ireo biby ireo dia miova ny endriky ny olona izay tratra io aretina io ka lasa romotra tahaka ny biby izay tratrany ary mitrerona. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitsabo dia tokony hanao vaksiny fanefitra amin’io aretina io ireo olona izay miompy ireo biby izay voalaza misy haromotana ireo mba hisorohana amin’ny loza mety hiseho.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT