Actualités

Aretina hafahafa mandripaka Ankizy 18 maty tao anatin’ny 20 andro


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Raha ny vaovao voaray dia kaominina maromaro any amin’ny distrikan’i Morombe no ahitana aretina hafahafa mamono olona amin’izao, toy ny ao Tanimeva, Ambahikily ... Nisy trangan’aretina toy izao ihany koa tao Ankililoaka Toliara II sy tany Mahaboboka Sakaraha andro maromaro lasa izay.

 

 

 

Tao anatin’ny 20 andro, ankizy 18 no ripaka namoy ny ainy matin’ny aretina hafahafa tsy hay na tazomahery. Antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : « Bakabaka » ny anarany, any amin’ny tanànan’i Bekopay, kaominina ambanivohitry Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe. Araka ny voalazan’Atoa Jonastin Razafindratsitoagny, mpandraharaha ara-toekarena zanaky ny faritra, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly naraina dia mafana hoditra ny zaza, mandoa sy mivalana avy eo, ary roa andro aorian’io dia maty. Afak’omaly, raha ny fanazavany hatrany, dia zaza roa no namoy ny ainy (6 sy 10 taona) tao amin’ity tanàna ity, ary rehefa mihinana voatango sy katsaka (sakafo misy any an-toerana amin’izao) ny marary dia mihombo ny aretina. Mikatona ny CSB I ao Bekipay ka tsy maintsy entina any Befandriana Atsimo ny marary, ary misy ny maty eny an-dalana, hoy hatrany ity mpandraharaha ity, manaitra ny sain’ny mpitondra hijery akaiky ny zava-misy.

 

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT