Mihamahazo vahana hatrany ny aretina diabeta eto amintsika. Raha araka ny fantatra mantsy dia mahatratra dimy hatramin’ny folo isan’andro ireo marary vaovao voany tonga manatona ny Centre Médical Marie Stellah eny Analamahitsy isan’andro. Ireo olona tsy mieritreritra ny hanao fitiliana no tena maro an’isa amin’izy ireo.
Ho an’ity tobim-pitsaboana ity mantsy dia tsy maintsy hatao fitiliana ny aretina diabeta avokoa ireo olona marary tonga manatona azy. Mba ho fanampiana ny rehetra hahafahana misoroka ny aretina dieny mialoha ary dia hanatanteraka fitiliana maimaimpoana ny tobim-pitsaboana mandritra ity volana mey ity. Tsy tokony hiandry ho jamba na tsy mahahenjana filahiana intsony mantsy ( ho an’ny lehilahy) vao hihazakazaka hanao fitiliana, hoy i dokotera Feziny Séraphine fa vao miandoha dia efa tsara fongorina ny aretina. Raha vao miandoha mantsy izany dia vitan’ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fifehezana ny sakafo fotsiny raha handaniam-bola be izany rehefa tena lasa lavitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.