Actualités

Aretim-biby fiompy Amin’ny 2030 vao ho fongotra


  • Talata 07 Aprily 2015

Fanambin’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny Fikambana manerantany miandraikitra ny fahasalaman’ny biby ny hamongotra ireo aretina mpahazo ny biby fiompy ao anatin’ny 15 taona ho avy.

Firenena maherin’ny 70 no ahitana ity karazan’aretina niainga tao Côte d’Ivoire tamin’ny taona 1942 ity ankehitriny. Ahiana mbola hihanaka amin’ny faritra maro eto Afrika sy Azia izy io ka hamotika ny foto-piveloman’ireo tantsaha raha tsy misy ny fandraisana fepetra. Efa resy tanteraka, ohatra, ny pesta mpahazo ny omby tamin’ny taona 2011 noho ny fiaraha-mientana ara-politika sy ara-toekarenan’ireo firenena afrikanina, aziatika ary eoropeanina mihoatra ny 120 notarihan’ireto fikambanana roa goavana manerantany ireto. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 31 martsa 2015 teo moa ny fanentanana manerantany ho famongorana ireo karazana aretina mpahazo ireo biby fiompy eny ambanivohitra. Nikaondoha nandritra ny 3 andro tamin’izany ireo tompon’andraiki-panjakana, sehatra tsy miankina, fiarahamoni-pirenena, mpikaroka ary mpamatsy vola. Hioty vokatsoa amin’ity fifanomezan-tanana ity ireo mpamboly sy mpiompy hatrany amin’ny 500 tapitrisa avy amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny taona 2030. Asa raha ho anisan’izany isika eto Madagasikara ?

Ramano F.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT