Actualités

Areti-maso ao Toamasina Vokatry ny fako sy ny loto


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

“Vokatry ny loto sy ny fako mameno tanàna no mahatonga ny firongatry ny areti-maso io…”. Samy nanamafy izany avokoa ireo dokotera nanontaniana mikasika ity areti-maso mahavoa olona maro sy haingam-pifindra ao Toamasina ity. Nohamafisin’ny “médecin inspecteur” an’i Toamasina renivohitra Dr Zara

 


 

 Hassanali Patrick, fa nitovy tamin’ilay areti-maso nitranga ny volana febroary – martsa – aprily ny taona lasa ihany izy io saingy nihanahery vaika kokoa vokatry ny loto.


 

Mangirifiry

Otrikaretina roa no fantatra fa mahatonga azy dia ny viriosy izay mahatonga hidihidy ny maso sy miteraka fangirifiriana mafy ao anaty maso ary mena be toa mivoahan-dra ihany koa ny mason’izay tratrany ; eo kosa ny vokatry ny bakteria izay mangidihidy ihany ny maso saingy miteraka tai-maso be ny fitrangany ho an’izay voany ary misy ny fotoana zara raha afaka hisokatra ny mason’ny marary raha tsy maharaka ny fanasany azy. Nohamafisin’ireo mpitsabo nanontaniana fa samy hafa ny fitsaboana ireo trangana areti-maso roa ireo, ka tsy tokony hanao dokotera tena ny marary na hanao fanafody ravin-kazo fahatany na hanosotra ireo tsaho sy torohevitra omen’ny olona. Zavatra kely tsy misy dikany na fanafody mifandiso mantsy dia mety hiteraka fahajambana. Nilaza i Dr Zara Hassanali Patrick, fa ilaina ny fanasana tanana sy ny maso amin’ny savony fotsy matetika, ny fanarahana ny torohevitry ny mpitsabo, raha voaraka izay dia 2 – 4 andro dia sitrana ny areti-maso.

 

150 isan’andro

 

Efa misy fihenany ny olona voany araka ny tarehimarika eo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana. Efa nahatratra 150 isan’andro ny olona manatona toeram-pitsaboana ara-panjakana na tsy miankina ny volana martsa sy tapaky ny volana aprily. Nomarihan’ireo mpitsabo koa fa tsy misy hidiran’Ambatovy ny areti-maso mitranga io. Ankoatra izay, niharan’ny firongatry ny areti-maso koa ny fonjaben’i Toamasina, nefa noho ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Medicap International sy hopitaly kely, dia nahazo fitsaboana sahaza azy avokoa ireo voafonja voany, nomena ny toromarika mba tsy ho voany sy tsy hiparitahany ihany koa izy ireo, noho ny tsy fahampian’ny efitrano handraisana ny voafonja izay tena mifanety ankehitriny.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT