Actualités

Arabie Saoudite sy Koweit Mitady mpiasa Malagasy be dia be


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Raha mbola miato ny fandefasana mpiasa mankany Liban dia malalaka kosa ny any Arabie Saoudite sy Koweit.

 Vao tamin’ity taona ity no nisokatra ny Global Service Recruiting, iray amin’ireo ivontoerana mpandefa mpiasa any amin’ireo firenena arabo ireo nefa efa mahatratra 500 ireo vehivavy Malagasy lasa nihary any an-toerana vokatry ny fiaraha-miasa taminy. Vokatra tao anatin’ny efa-bolana monja ireo araka ny fanazan-dramatoa Manasé Ange Nirina, mpitantana ny Global Service Recruiting izay nanamafy fa betsaka ny fangatahana mpiasa avy any Koweit sy Arabie Saoudite satria misy 650 izao no voarainy hatramin’ny sabotsy teo. Tanora 22 hatramin’ny 40 taona raha hakany Koweit, hatramin’ny 35 taona kosa raha ho an’i Arabie Saoudite no azo raisina. Mila nahavita ny taona faha-9 koa ankoatra izay.

Milaza ho manana ny fankatoavana avy amin’ny ministera hanaovany izao asany izao ity ivontoerana ity izay efa hanokatra ny fandefasana mpiasa any Qatar sy Aostralia atsy ho atsy. Mpiasa an-trano ho an’ny vehivavy raha irakiraka kosa ny asa misy ho an’ny lehilahy hatramin’izao. Ankoatra ireo asa madinika ireo dia efa an-dalana koa ny fikarakarana ny fahafahana mandefa mpitsabo mpanampy. 200 dolara isam-bolana no karama farany ambany amin’ny asa trano, 300 dolara raha irakiraka ary 400 dolara raha mpitsabo mpanampy. Lafolafo kokoa ny tambiny alain’ity ivontoerana ity amin’ireo mpiasa Malagasy raha toa ka lehilahy satria tsy maintsy mamerina 1500 dolara ao anatin’ny folo volana ry zareo.

Roa taona ny faharetan’ny fifanarahana dia tsy maintsy mody ary azo havaozina izany avy eo. Manana solontena any amin’ireo firenena ireo izahay ka ry zareo no mikarakara ny ankizy any. Tsy mbola dia misy ny olona goavana teo amin’ny mpampiasa afa-tsy resaka tsy fandoavana karama nahazo mpiasa folo eo ho eo, hoy hatrany i Manasé Ange Nirina. Ankoatra izay dia mpiasa mirahavavy koa no naverina nody rehefa hita fa bevohoka tany.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT