Actualités

Araben’ny fahaleovantena Analakely Tena lasa tokotanin’ny 4-Mi


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Azo ambara, ho an’izay mandalo eny an-toerana, fa lasa tokotanin’ny 4-Mi ny eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena etsy Analakely, indrindra rehefa harivariva ny andro.

 Hatreny amin’ny Esplanade io ka hatreny amin’ny Garan’i Soarano. Maimbo io ampahan-toerana voalaza io satria tsy amin’ahiahy mihitsy no anaovan’ireto 4-Mi ireto maloto na dia amin’ny toerana talaky maso toy ilay nisy ny tsangambaton-dRalaimongo taloha io aza, ary tsy anavahana lahy sy vavy mihitsy izany fanaovana maloto izany fa dia mitorevaka maka aina tsara izy ireo andalovan’ny mpandalo maro.

Ilay ampahan-dalana nasiana “sens interdit” hiditra ny “Hotel de Ville” vaovao io moa dia zary lasa fandrian’ireo 4-Mi ireo mihitsy sy hanaovany fanenjika. Ireto 4-Mi ireto koa amin’ny akanjony maloto dia maloto misolitika menaka izany dia tsy misalasala mihitsy manatona olona mandalo mangata-bola ary indrindra mitanintanina amin’ny toerana misy fivarotana sakafo hani-masaka toy ny vary mitsangana anaty fiara sy ny pizza eny amin’ny Arcade. Satria nanampy tamin’ny fitoratorahana ny Zanak’i Dada tamin’ny fotoanandrony ve dia tsy azo kitikitihana izy ireo ? Sao dia mba tokony hanaovana SOS 4-Mi tahaka ny any Atsimo koa izy ireo ?

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT