Actualités

APIPA Mitokona koa ireo mpiasa raikitra


  • Zoma 11 Janoary 2013

Fitokonana no nasetrin’ireo mpiasan’ny APIPA teny Anosizato Atsinanana omaly 10 janoary ny teny nataon’ny Tale jeneralin’ity orinasam-panjakana misahana ny fitantanana ny rano eto amin’ny tanànan’Antananarivo ity.

 Tsy marina velively ny fanambarana nataon’ity tale jeneraly ity ny alatsinainy 7 janoary, araka ny voalazan’ireto mpiasa mitokona ireto izay nanambara fa efa naharay ny karama volana desambra 2012 avokoa ny mpiasa raikitra rehetra ao amin’ny APIPA. Azo hamarinina any amin’ny banky amin’ny alalan’ny “virement bancaire” raha nisy izany. Araka ny fampanantenana natao tamin’ny “Assemblée générale” izay natao ny 28 desambra 2012 lasa teo dia farafahatarany ny 7 janoary 2013 no handoavana ny karaman’ireo mpiasa. Tsy tanteraka anefa izany fa mbola nangatahana andro indray izay nolazaina fa alohan’ny 15 janoaray 2013. Araka ny fanamarihana nataon’ireto mpiasa ireto ihany dia efa tara ihany koa ny karaman’izy ireo tamin’ny volana novambra 20112, tsy noraisina raha tsy 5 desambra 2012.

Ny filohan’ny filankevi-pitantanana dia efa nilaza mazava tsara araka ny nambaran’ireto mpiasa ireto fa “efa tapitra lasa aty amin’ny APIPA avokoa ny anjara volan’ny APIPA avy amin’ny ministeran’ny rano taona 2012. Raha izay dia tsy tokony hisy “procédure” na fombafomba handrasana intsony. Re fa anio zoma no fotoana nolazain’ny Tale jeneralin’ny APIPA fa handoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy raikitra na mpiasa  an-tselika.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT