Actualités

Any Frantsa i Mamod Taky Notoherin’ny minisiteran’ny fitsarana ny «Conseil d’Etat»


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Ny sabotsy teo izy no navoaka teny Antanimora ary ny andron’iny ihany dia nentina teny amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato mba hoentina any Lafrantsa.

Mpiasan’ny fonja frantsay miisa dimy no nanampy ny polisy malagasy tamin’izay famindrana an’i Mamod Taky izay. Raha araka ny fantatra dia noho ny fanomezan’ny minisiteran’ny fitsarana alalana azo hitsarana azy any Lafrantsa no anton’ity famindrana ity. Tezitra mafy ny lehilahy raha nandre izany ary nanao izay fomba rehetra tsy hahatontosa ny fitondrana azy any ivelany. Raha ny fitantaran’ny mpitandro ny filaminana aza dia nokaikeriny ny tanany, mifanandrify amin’ny lalandrany mba hampiporitsaka ny rany ka hidirany hopitaly eto Madagasikara ihany. Izany hoe mba tsy hampandeha azy any Frantsa na koa hanemorana ny fiaingany, fotoana izay mety efa hahafahany mitady hirika indray ka hahazoany ny didy mampijanona azy eto an-toerana ihany. Saingy tsy nahomby izany satria nofatorana mafy tamin’ny «menottes» izy ary tamin’izay toerana rehetra nandehanany dia nasiana mpitsabo nanaraka. Raha tsiahivina dia vao ny volana martsa teo no tsy nanaiky ny handefasana an’i Mamod Taky any Frantsa ny «Conseil d’Etat» eto Madagasikara. Tampoka teo anefa ankehitriny, dia ny minisiteran’ny fitsarana indray no namoaka didy hahafahana mandefa azy faran’izay maika. Asa, inona indray no nitranga teo anivon’ireo sampana roa ireo ? Mampieritreritra. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT