Actualités

Antsonjombe Tsy voaloa ny karaman’ireo mpanao tamboho


  • Zoma 28 Desambra 2012

Manodidina ny 50 isa eo ho eo ireo lehilahy nokaramaina orinasa iray hanamboatra ny tambohon’Antsonjombe mamefy ny Coliseum de Madagascar.

 Mbola amin’ny volana janoary 2013 any ho any vao ho vita ny asan’izy ireo satria manao ny fanatsarana farany saingy voatery natsahatra ny asa nanomboka ny 24 desambra lasa teo vokatry ny tsy fahazoany ny tambinkaramany. Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia ny sabotsy taorian’ny fanokanana ny Coliseum izy ireo no nandray vola farany izay nambaran’ny iray tamin’ireo mpiasa fa zara raha nisy. Nampanantena ny mpandoa vola taorian’izay fa hanome ny 24 desambra lasa teo, saingy tsy nipoitra. Vokany, tokantrano miisa 50 no tsy afaka nankalaza ny fetin’ny Krismasy.

Na izany aza, niezaka nitady vahaolana ihany izy ireo mba hahafahany mankalaza ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Amin’ny alarobia 03 janoary ho avy izao indray anefa vao nilaza fa afaka handoa ny tambinkaramany ny mpandoa vola. Kivy ireto mpanamboatra tamboho ireto vokatr’izany. Sady efa tsy nankalaza ny fetin’ny krismasy mantsy izy ireo no tsy hankalaza ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ihany koa. Tsy manara-penitra !

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT