Nampahafantarina tetsy Ankadivato omaly fa tafatsangana ara-dalàna ny atao hoe ADPSCE na ny fikambanan’ireo delegen’ny mpiasa izay mivondrona mba hiahy bebe kokoa ny sosialin’ireo mpiasa eto amin’ny nosy.
Rafitra iray ao anatin’ny fikambanan’ny sendikan’ireo mpiasa malagasy revolisionera (Fisemare) izy ity ary solontenan’ireo mpikambana ao ihany, araka izany no mandrafitra azy. Isan’ny nananganana azy ity moa ny tsy fanekena intsony ny antsojay sy tsindry hazo lena atao amin’ireo mpiasa ary ny fandikan-dalàna ataon’ireo sampan-draharaham-paritra momban’ny asa, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity rafitra vaovao ity. Misy sampana 80 ary mpikambana 600 moa ny ADPSCE ary dia nampitandrina fa efa mivondrona miaraka amin’ny Fisemare izy ireo ary mampigadra ny fanembatsembanana ny fahafahana ara-tsendikaly. Ohatra noraisin’izy ireo amin’izay antsojay izay moa ny afitsok’ireo orinasa sasany izay ny atsasaky ny karaman’ireo mpiasany ihany no lazainy any amin’ireo tranom-piantohana ara-tsosialy, hany ka ny antsasaky ny fiahiana tokony ho azo ihany koa no voarain’ireo mpiasa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.