Actualités

Antsohihy Notafihan’ny olona ny kaomisaria, notetehina ho faty ny gadra tao


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Olona 200 isa mahery no indray nanafika ny kaomisarian’ny polisy ao Antsohihy omaly maraina. Olona romotra ary tsy azo natao na inona na inona izy ireo. Niditra an-keriny tao ireo ary namoaka olona iray izay voalaza fa namono ny havany. Dia novonoin’ireto fokonolona marobe tamin’izay fomba nitiavany azy ilay lehilahy.

Notetitetehina teo imason’ny polisy sy ny tompon’andraikitry ny FAT izay nisy tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Nisy kaomisera iray nandrasana faty mantsy tao amin’ilay tanàna ka maro ny tompon’andraikitra ambony tonga tany Antsohihy nanao ny adidiny. Raha araka ny fantatra dia niainga tamin’ny adiady iray tao anatin’ny fety tao Marosampanana, ny sabotsy teo ny raharaha. Raikitra ny rombo ka lehilahy iray no voakapa famaky teo amin’ny lohany. Nentina hopitaly io. Tao amin’ny hopitaly nitondrana azy koa dia nisy lehilahy iray hafa naratra. Io farany no voalaza fa nandratra itsy voalohany. Nirohotra avy hatrany ny olona ny hamono azy. Niditra an-tsehatra anefa ny polisy ary nanavotra ilay olona voarohirohy tany amin’ny biraony.

Maty ilay notsaboina tao amin’ny hopitaly ka io no tena nampitombo ny hatezeran’ireo olona marobe izay nifamotoana teny amin’ny biraon’ny polisy. Nezahina notoherina ihany tamin’ny alalan’ny tifi-basy (telo no naratra), saingy maro loatra ka tsy voafehy. Vokatr’izany dia navela fotsiny nanao izay tiany teo ireo olona an-jatony. Simba ny biraon’ny polisy ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa ilay olona notazomina tao. Rehefa vita izay vao afaka ny fon’ireo olona izay niala moramora teo an-toerana. Misy ny fanadihadiana misokatra momba ity raharaha ity raha araka ny fanazavan’ny polisy ao an-toerana. Ny azo lazaina dia toa tsy matoky ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka any ambanivohitra any, hany ka aleon’izy ireo izy mitsara izay heveriny fa meloka. Miharatsy miaraka amin’ny raharaham-pirenena ny fanabeazana ary toa mizotra mankany amin’ny habibiana raha izao no mitohy. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT