Niharan-doza ny mpiasan’ny Primatiora. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora tany amin’ny 30 km avaratr’Antsohihy amin’iny lalam-pirenena faha-6
iny no nitrangan’ny loza. Olona efatra no tao anatin’ny fiara ka ny roa tamin’ireo no tena naratra mafy ka voatery nadefasana angidim-by hitondra azy ireo aty an-drenivohitra. Vokatry ny fisiana zavatra nanelingelina ny lalana no nitarika fifandonana ka niafara tamin’ny fivoahan’ny fiara ny lalana. Saika hihazo an’i Nosy Be noho ny asa moa ireto mpiasan’ny Primatiora ireto no izao niharan-doza izao. Efa misokatra ankehitriny ny fanadihadiana nahatonga ny loza.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.