Actualités

Antsiranana Mijaly amin’ny delestazy isan’andro


  • Talata 04 Septambra 2012

Velon-taraina ny mponina ao Antsiranana manoloana ny tsy fanjarian’ny resaka jiro.

 Raha ny zava-misy any an-toerana dia saika tapaka fotoana maharitra ny jiro ka lasa toa fahazaran’ny olona izany saingy ireo mpandraharaha ara-toekarena no velon-taraina nohon’ny fampiasana angovo hafa ho fiandry hatrany. Raha ny nitranga ny omaly alatsianainy 03 septambra izao dia tapaka nanomboka tamin’ny 08 ora maraina ny jiro ka tamin’ny 03 ora tolakandro vao niverina indray, saingy nanomboka tamin’ny 05 ora indray dia niverina ny fahatapahana ary tamin’ny 07 ora dia efa tapaka indray ary ny loza dia miverimberina tampoka ny fahatapahana ka atahorana hanimba ny fitaovana.

Raha ny resaky ny mponina sendra ny Tia Tanindrazana dia miandry mpitarika izy ireo ka raha misy ny sahy hitokona eo anoloan’ny Jirama amin’izao olana mianjady amin’izy ireo izao dia betsaka ny hanatevina izany. Anisan’ny mba fanantenan’izy ireo moa ny tsy hisian’ny fahatapahan’ny jiro mandritra ity «Andron’ny Tanora Katolika» na JMJ ao Antsiranana izao mba tsy hitondra henatra ho an’ny tanànan’izy ireo satria dia tanora marobe no tonga ao an-toerana amin’izao fotoana izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT