Actualités

Antsiranana Mamofompofona OPK


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010


Nisesy ny fanafihana tranombarotra karana tao Antsiranana tao tato ho ato. Saika ny mpivarotra volamena hatrany anefa no lasibatra. Araka ny fantatra, dia efatra amin’izy ireo izao no nisy namaky hatramin’ny fiandohan’ny taona, ary fanafihana mitam-basy avokoa izy ireo. Mamofompofona OPK tamin’ny 1991 ny raharaha. Manahy noho izany ny fianakaviambe karana ao Antsiranana. Nifamory maika izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fepetra noraisina taorian’izay. Fa dia vonona ny hamoaka vola izy ireo amin’ny fanamafisana ny fiambenana. Nosantarina amin’ny fiambenana eny amin’ny Mosquée izany, mandritra ny fotoanan’ny vavaka. Polisy enina no manatanteraka ny fiambenana amin’izany.

Samy mandray andraikitra amin’ny fanamafisana ny toeram-pivarotany avy ny hafa. Misesisesy ny fanafihana mitam-basy tao Antsiranana tao ho ao izay. Kalachnikov, izay basy tsy tokony ho eny an-tanan’ny sivily, mihitsy no entin’ny mpamaky trano. Tsy ny Karana ihany fa ny mponina ao Antsiranana amin’ny ankapobeny mihitsy no mihorohoro eo anatrehan’izany.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT