Actualités

Antsiranana Hitokona ny mpitatitra anio


  • Zoma 21 Mey 2010


Resaka tany nomena ny orinasa mpaninjara solika Jovenna ao amin’ny Gare routière no fototry ny disadisa. Nanampy trotraka ny olana sedrain’ny mpitatitra amin’ny zotra rezionaly mampitohy an’Antsiranana amin’Ankifiny. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny Jovenna sy ny Kaominina ambonivohitra Antsiranana, hanomezan’ity farany ampahan-tany ao amin’ny Gare routière ao SCAMA hanorenana toby famatsiana solika. Etsy an-daniny ny Jovenna dia hanamboatra sy hanatsara ny fotodrafitrasa eo amin’ity toby fiantsonan’ny fiarakodia. Re anefa fa tsy ankasitrahan’ny ankamaroan’ny mpitatitra io fanapahan-kevitra io. Tsy mahafaly ireto mpitatitra ireto, indrindra ny amin’ny zotra rezionaly ny tsy ahafahan’izy ireo manao ny zotra mivantana mampitohy an’Ankifiny amin’Antsiranana renivohitra, fa mijanona eo Ambalavelona. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT