Actualités

Antsiranana 7 hetsy ariary ho an’izay tsara taham-pahavitrihana


  • Zoma 19 Novambra 2010

Nataon’ny Fitondrana avon’ny tetezamita ny fomba rehetra mba hampakarana avo ny tahan’ny fandraisan’anjan’ny mpifidy nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalŕmpanorenana natao ny alarobia 17 novambra 2010 lasa teo.

Nahetsika avokoa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Niditra an-tsehatra koa i Andry Rajoelina namarana azy, niaraka tamin’ny fampanantenana samihafa sady nanentana ny olona ho avy maro hifidy. Teny antsefatsefany teny ny fisiana fanapahan-kevitra samihafa, handoavana ny volan’ireo tanora nandrakitra tanaty solosaina ny mombamomba ny mpifidy nandrafetana lisi-pifidianana, tampotampoka teo koa ny nandoavana ny tambinkaraman’ny sefo Fokontany. Ho an’ireo farany aza dia tonga hatrany amin’ny fampanantenana vola ambony apanga, fankasitrahana, raha mahavita taham-pafidianana ambony. Tao Antsiranana, ohatra, raha ny loharanom-baovao, dia mitentina fito hetsy ariary io tamby io, ho an’ny sefo Fokontany tsara voka-pifidianana indrindra ka navitrika nifidy ihany koa ny olona tao aminy. 46,41% ny taham-pifidianana, tamin’ireo biraom-pifidianana miisa 38 tao an-tanàna. 40.422 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ireo. 18.758 no tonga nandatsa-bato. 1118 ny vato maty sy vato fotsy, ary 17.640 ny isan’ny vato manankery. 14.236 ho an’ny ENY ary 3.404 ho an’ny TSIA, tao an-toerana tamin’iny 17 novambra iny. Nampiova tampoka ny taha io, rehefa azo nampiasaina tamin’ny fifidianana koa ny karinem-pokontany. Tamin’ny ankapobeny mantsy dia natahotra ny olona sao hisy fiantraikany amin’ny fanaovan-draharaha eny amin’ny Fokontany ny tsy fandehanany mifidy. Niverina tao an-tsain’ny maro, indrindra ireo zokinjokiny ny karatra isan-dahy taloha.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT