Tsy nitombina indray ilay ohatra hoe : “ny valala misy ary ny mpilaza mahay”, fa dia niakatra ny renivohitr’i Vakinankaratra ny valala rehefa leo ny nihaodihaody tany amin’iny faritra andrefan’ny Faritra iny.
Omaly alakamisy tolakandro teo tokoa mantsy dia nisidina ny habakabaky ny tanànan’Antsirabe ny andiam-balala. Raha ny tombantombana dia nahatratra 5 ka hatramin’ny 8 kilometatra tany ho any ny halavan’ny andiany raha tombanana ho 200 metatra ny sakany. Raha tsiahivina dia ny volana jolay 2012 no efa nisy ny andiam-balala tao amin’ny Kaominina Anjoma Ramartina, izay voalaza fa velaran-tany 435 ha no rakotra ary voavonjy ka tsy atahorana fa voafehy ny valala, saingy tsy izay no nitranga fa ny volana Aogositra indray dia efa rakotra valala ny tao Mandoto, renivohitry ny Distrika ary nikisaka tao Ankazomiriotra ny valala, fa mbola voalaza fa voafehy hatrany ka farany dia niseho vahoaka tao Antsirabe izy ireo io omaly io. Efa nampiomana ny mpitondra moa tamin’izany ny Ben’ny tanànan’Anjoma Ramartina fa tokony hojerena fa foy ireo kijeja saingy tratry ny andraso andraso ka izao ny vokany. Raha io omaly io moa dia niparitaka ireo valala ka tsy mbola hita izay toerana mety natoriany. Raha ny filazan’ny teknisianina dia iny izy matory iny no famonoana azy, ka asa raha hisy ny hisahana izany. Anio ihany koa no hisokatra ny foaran’ny fiompiana ka angamba hijery izany ireto valala ireto !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.