Actualités

Antsirabe Mitobaka ny fako, tsy hita ilay kamiao tamin-dRajoelina


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Natao ihany ny tsy hiteny saingy efa tena mampiteny ny moana ny fako ao Antsirabe amin’izao fotoana, indrindra fa taorian’ny fetin’ny faran’ny taona lasa iny.

 Raha atao indray mijery dia toa izay talaky maso sy lalovan’ny maro ihany no enjehina diovina fa ny any ambadibadika any dia teny tsy misy mijery mihitsy. Ho an’izay mampiasa ny zotram-pitaterana laharana faha-12 angamba dia mahita tsara ny fitobaky ny fako eo andamosin’ny sekoly Masimbavy Terezy, izay feno hipoka hatramin’ny lakandrano eo amin’ny sisin-dalana. Raha ny filazan’ny mponina moa dia misy ihany ny fiara be mba maka fako eo saingy indray mandeha isan’andro izy no manao izany fa tsy maha afaka akory ireo fako eo izay efa betsaka, kanefa mitohy ihany ny fanariana ataon’ny mponina.

Efa nanao fanamby moa ny PDS tamin’ny fotoana nahatongavan’i Andry Rajoelina tao Antsirabe fa aorian’ny fanampiany ny Kaominina dia ho 200% ny fanadiovana ny tanàna, ary nolazainy nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ihany koa fa vitan’ny Kaominina amin’ny alalan’ilay “fonds libre”, 191 tapitrisa Ariary ny asa maika sy mila enjehina, kanefa raha ny zava-misy dia hatramin’ny karaman’ny mpiasan’ny Kaominina aza saika tsy voaloa ny faran’ny taona teo. Hatramin’izao koa aza tsy mbola hita na tazana akory ilay fiarabe nampanatenain’ny filohan’ny tetezamita ny talata 16 oktobra 2012, ho an’Antsirabe nambara fa hanamaivanana ny fanariana fako ka soloina goavana kokoa no sady hampiana iray hafa saingy : “Nanjavona hoa!”, hoy ny hira e!


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT