Misoko mangina indray ny hala-botry sy ny fanafihan-jiolahy manodidina an’Antsirabe tato ho ato noho ny hamafin’ny tsindry ataon’ny mpitandro filaminana ao an-tampon-tanàna. Ny tatitra azo dia fokontany roa no nitrangana fanafihana
. Ny sabotsy 02 mey 2015 lasa teo dia ny fokontany Fiadanana no notafihan’ireo jiolahy niisa 6, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Tora-bato no nentin’ireo jiolahy nanafika, hoy Atoa Davidson, Lehiben’ny fokontany ka tsy nisy nivoaka ny trano ireo voatafika fa niaritra tao aloha. Novakian’izy ireo ny trano nisy ny omby. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra ka vory ny vatan-dahy ary nitsoaka ireo jiolahy. Ireo omby kosa niparitaka saingy voaangon’ireo fokonolona ihany ka tafaverina tamin’ny tompony. Haingana ihany koa moa ny fahatongavan’ny zandary izay nahaingana ny fifanomezan-tanana. Ankoatra izay dia nitrangana fanafihana ihany koa tao amin’ny fokontany Vohitrarivo ny alin’ny alakamisy teo. Ahiana ho jiolahy iray ihany ireto nanafika ireto satria tora-bato ihany koa no nentin’izy ireo nanafika fivarotana iray. Vola dimy alina Ar niaraka tamin’ireo entana kely teo am-pivarotana no lasan’ireo jiolahy ankoatrya ny fitaovana toy ny bisikileta sy ny fanaka maivana toy ny lektera ... Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto mpanafika ireto.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.