Actualités

Antsirabe Midangana ny saran-dalana


  • Talata 28 Aogositra 2012

Manjaka indray ny gaboraraka eo amin’ny lafiny fitaterana ao Antsirabe amin’izao fotoan’ny fialantsasatra sy famadihana izao.

 Tafakatra hatrany amin’ny 12.000 Ariary mantsy ny saran-dalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe amin’izao fotoana. Raha ny sarany ara-dalàna hita ao anatin’ny fiara anefa dia 8.000 Ariary, saingy noho ny hamaroan’ny olona mivezivezy dia manararaotra indray ny mpitatitra. Raha ny fanazavana izay tsy mitombina ataon’ireo mpitatitra dia noho ny fahamaroan’ireo mpamonjy famadihana aty Vakinakaratra no tena mba hararaotin’izy ireo satria aorian’izao dia mety ho maina indray ny tsena. Anisan’ny mbola malaza moa ity famadihana ity aty Vakinankaratra. Tsy ity zotra Antananarivo Antsirabe ity ihany no ahitana fisondrotana fa saika ireo zotra anatiny ihany koa. Ny mankany Ambatolampy, ohatra, dia tafakatra 5.000 hatramin’ny 6.000 Ar raha toa ka 4.000 Ar izany hatramin’izay. Anisan’ny olana tsy mety milamina ity resaka saran-dalan’Antsirabe ity raha mitaha amin’ireo zotra hafa satria rehefa vanim-potoanan’ny Paska ihany koa dia mitranga hatrany ny fanararaotana ny mpanjifa toy izao. Misy hatrany ny ezaka ataon’ny ATT saingy « misy mihaino? », hoy ny kilonga kely.

 
Caius R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT