Saron’ny zandary teo amin’ny sakana tao Vinaninkarena-Antsirabe ny sabotsy 17 febroary 2018 lasa teo ny bolabolana boaderozy miisa 37, mirefy 50 ka hatramin’ny 90 sm ny halavany ary 1O ka hatramin’ny 25 sm ny savaivony.
Natao tao anaty gony niisa 7 izy ireo ary fiara mpitatitra “sprinter” mampitohy an’Ambositra sy Antsirabe no nitondrana azy, nokasaina hoentina any Ambositra. Raha ny fanazavana nomen’ny Sefo GPHC Randriamahazomanana Jimmy Lisy, kaomandy vonjimaikan’ny “Brigade de la route” Antsirabe dia entana noraisin’ny mpamily teo amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra teo Vatofotsy ary nampitondraina azy, toy ny “collis” ireny izy ity, ka any vao mitsena azy ny tompony. Nambaran’ireo olona nandefa ny hazo moa raha ny nambaran’ny mpamily fa hazo efa maty ireo, ka tsy ilana taratasy, hono, ka dia nentiny satria misy sarany ny fitondrana izany. Efa nitsirika ireto hazo ireto ny tompon’andraikitry ny ala sy ny tontolo iainana, ka voamarina fa tena andramena tokoa ireo hazo, izay tombanana fa avy any Morondava no niaingany ka io nokasaina haondrana tany Ambositra, izay azo antoka fa mpanao asa tanana amin’ny sokitra no mety hanjifa azy ireo. Tombanana avy hatrany, fa resaka fanamboarana sary sokitra no nikasana hampiasana ireto hazo ireto. Nandritra ny dian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany amin’ny faritra Zafimaniry any amin’ny distrikan’Ambositra iny ny 15 janoary, dia nampanantena hanampy ara-pitaovana ny tenany. Mety izany no nohararaotina tamin’ity raharaha ity. Tsy fanomezana rariny ireo tompon’antoka tamin’ity afera iray ity, fa dia jamba ny fanjakana eo anatrehan’ny raharaha boaderozy 30 000 bolabola sarona tany Singapour ny taona 2014, kanefa mirehareha ho miasa eo anatrehan’ny 37 sarona heverina fa saika hampiasain’ny mpanao asa tanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.