Nitrangana hain-trano goavana indray tao amin’ny fokontany Antsenakely ny marainan’ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Tranohazo nisy mpivarotra samihafa ireto may ireto.
Tsy fantatra ny niavian’ny afo raha ny fitantaran’ireo niharam-boina fa efa nanaka-danitra ny lelafo no nanaitra ny manodidina. Tsy nisy azo noraisina ireo entana rehetra tao amin’ny trano fa izay teny an-koditra ihany no voavonjin’ny olona. Ho an’ireo mpivarotra izay tsy natory tao aza moa dia tsy nisy noraisina fa may 100% ny entany. Raha ny fantatra dia manodidina ny 14 tafo ireo trano may araka ny fanisan’ny mpitandro filaminana ireto tompon’entana. Raha ny nambaran’ireo mponina manodidina dia efa nisy olana matetika teo amin’ity toerana ity mikasika ny tany ka tsy fantatra na sabotazy na tena loza tsy nahy ny nahatonga ny afo satria ny taona 2010 dia efa may ihany koa ny tranohazo teo amin’ity toerana ity, ary mbola nisy ny nanorina tranohazo teo ihany ka izao mbola may izao indray. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ireo rehetra mponina teo amin’ireo trano may ireo.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.