Actualités

Antsenakely-Antsirabe Namidy hatramin’ny lalana ?


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Notapahina ny lalana amina trano fivarotana hofain’ny olona hatramin’izay ao Antsenakely, izay tsenan’ny Kaominina.

 

 Efa lalana hatramin’izay ity notapahina ity kanefa dia misy varavaran’ny mpanofa hafa eo akaikiny. Tsy misy mahalala ny antony namefena io lalana io ireo mpivarotra manodidina rehefa nanontaniana kanefa dia azo antoka fa tsy maintsy tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina ihany no afaka manome alalana hikitika ny fotodrafitrasan’ny Kaominina. Raha ny re dia efa nisy ny fampiantsoana ireto tompon’andraikitry ny fokontany nialoha ny nanaovana ity asa ity ary gina tsy manan-kambara izy ireo rehefa anontaniana amin’izao fotoana. Midika izany fa nisy ny teny midina tanterahin’izy ireo. Nisy moa ny fanangonan-tsonia nataon’ny mpivarotra ka asa hatraiza indray izany fa ny hita dia mbola mitohy ny asa famefena ataon’ireo olona manatanteraka izany. Paiso an-kady tokoa ve ny fananan’ny Kaominina Antsirabe ?


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT