Actualités

Antoko TGV Ny paipaika politikany


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Rarakompana ny tsikera ataon’ireo mpanara-dia mahafatra-po an’i Andry Rajoelina manoloana ny fihetsik’ireo mpikambana TGV sasantsasany, amin’ny fanaparam-pahefana sy ny fitiavan-tseza, ka ilazan’iretsy voalohany tsy ampihambahambana fa tena manaratsy endrika ny filohan’ny tetezamita.

Anisan’ny nokianin’izy ireo mafy ny nisintahan’ny TGV tao amin’ny UDR-Fanovana sy ny ESCOPOL ka nanolorany kandida amin’ny anaran’ny tenany manokana tamin’ireo fifidianana ny birao maharitry ny Filankevitry ambonin’ny tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny tetezamita (CT). Tsy misy afa-tsy fitiavan-tseza no mibaiko ny fihetsika tahaka izany, araka ny nambaran’ireo mpanohana ny filohan’ny tetezamita. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony hanava-tena tahaka izany ny TGV fa manaraka ny toromarika sy ny fifampifehezana tao anatin’ireo vondrona politika ireo, mba hampisehoana marina fa miray hevitra ny mpanohana ny tetezamita.

Efa hita taratra sahady ary avy amin’ity tranga ity fa hanolotra ny kandidany manokana amin’ny fifidianana rehetra mbola ho avy ny TGV, ka eo amin’izay no mety hipoiran’ny lonilony maro samihafa satria mety tsy hanaiky izany intsony ireo mpanao politika efa zatr’ady ao anatin’ny ESCOPOL, ohatra, ka ho sorena ary hamadika palitao indray, dia tsy hanohana an’i Andry Rajoelina, izay miha mazava izao fa hatolotry ny antoko TGV ho kandida amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Na dia eo aza anefa izany tranga manjavozavo rehetra izany, dia tsy azo adinoina fa ampy traikefa amin’ny politika avo lenta ny Malagasy ka sarotra ho an’ny olon-tsotra ny mamantatra ny tena marina. Fa raha alefa lalina anefa ny fanadihadiana ity raharaha ity, dia azo eritreretina ihany koa fa ampiasain’i Andry Rajoelina mba haka toerana tsimoramora ny TGV mba hahafahany miala eo ambany ziogan’ireo mpanao politika atsy aoriana kely. Tetikady efa nataon’i Marc Ravalomanana ihany izany tamin’ny 2002.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT