Mikendry ny hahazo ny maro an’isa ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara amin’ny fifidianana loholona hotanterahina ny 29 desambra ho avy izao
. Nihaona mivantana tamin’ireo kandidany miisa 60 manerana ny Nosy ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao omaly, nametrapetraka ireo karazana paikady rehetra hahazoana ny toerana sy nifanoro hevitra ihany koa. Fantatra tamin’izany fa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana izy ireo. Manaiky izay fanapahan-kevitry ny CENI ihany koa amin’ny fanatanterahana izany satria efa rafitra mahaleotena tanteraka ity farany. Mikasika ny resabe mandeha amin’izao ny amin’ny mahabetsaka ny tetibolan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fanajariana ny tany moa dia nanambara Rakotovao Rivo fa ho azy manokana dia entina hanampiana ny kaominina ny antsasaky ny tetibolany, kaominina izay hitondran’ireo solombavambahoaka ny hetahetany hatrany. Somary nametra-panontaniana ny mikasika ny fihetsik’ireto farany izy, araka izany. Fotoam-pivavahana lehibe moa no nanoloran’ireo kandida loholona ireo tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Antanimena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.