Actualités

Antohomadinika 4 mianaka maty kilan’ny afo


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Nisy hain-trano nahatsiravina nitranga indray teny amin’ny fokontany Antohamadinika III G Hangar ny alin’ny sabotsy teo. Niradareda ny afo ka nanahirana ny mpiara-monina manodidina no nanatanteraka ny famonjena, tsy tonga rahateo ny mpamonjy voina nandrasana.

 

 Avy ao amin’ny fianakaviana mpivady samy mpisotro toaka no niavian’ny afo. Mamo toy ny fanaony izy ireo tamin’io alina io. Ny labozia nampirehetin’izy ireo no niteraka ny hain-trano. Difotry ny hamamoana angamba izy ireo ka tsy nahatsiaro n’inona n’inona mihitsy, hoy ny mpifanolo-bodirindrina taminy izay niezaka nitsoaka rehefa nahita ny afo nandady tamin’ny tranon-dry zareo koa. Mbola niezaka namoha ilay trano niandohan’ny afo izy ireo fa tsy vita intsony noho ny firedaredan’ny afo. Tsy tafavoaka intsony ilay mpivady mpisotro toaka niaraka tamin’ny zanany roa ka nikainkona forehitry ny afo tao. Marihana fa noho ny hain-trano nifanesisesy teny amin’ity faritra ity sy ny manodidina dia efa nisy ny fanapahan-kevitra navoakan’ny fokontany teny an-toerana ny amin’ny tsy fahazoana manorina trano hazo eny intsony. Mbola misy hatrany anefa ireo minia mandika lalàna ka izao no vokany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT