Manana ny tranonkalany manokana ny antenimieradoholona eto amintsika amin’izao fotoana izao, ka ny asan’ny antenimiera no haseho ao. Hamafisina ihany koa ny serasera mba tsy haha tompontrano mihono ny vahoaka Malagasy, raha ny fanazavana.
Manatsara ny andrim-panjakana eo anatrehan’ny vahoaka izany, raha ny fiheveran’ny mpitarika azy. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy afaka andro vitsy izany, ka “www.senat.gov.mg” ny rohy azo tsidihina. Tena ilain’ny vahoaka Malagasy ve izany sa haitraitra fotsiny ihany ? Asa azo tsapain-tanana toy ny fandaminana ny raharaham-pirenena no ilain’ny olona. Raha tokony ho arofanina sy mpanitsy ny mpitondra ity andrim-panjakana ity dia tsy izay no misy fa zary lasa mpiray tsikomkomba amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny famotehana ny firenena. Ny filohan’ny andrim-panjakana moa dia tsikaritra ho mpiandany tanteraka amin’ny antokon’ny fitondrana ary tsy atao mahagaga izany satria saika ny 95%n’ny mpikambana no olon’ny fitondrana avokoa. Ny resaka mangarahara amin’ny volam-bahoaka laniana amin’ity andrim-panjakana ity dia tsy resahina intsony, kanefa izay tena asa mivaingana hoenti-mampandroso ny firenena tsy misy. Mba hampahafantarina sy havoaka amin’ny antsipiriany ao anatin’io tranonkala io ve ny resaka mangarahara momba ny karaman’ny loholona sy ireo tombontsoa mihoapampana sitrahan’ny loholona ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.