Actualités

Antenimieram-pirenena Manamafy ny fahaiza-manaony ny mpiasa


  • Alarobia 05 Mey 2010


Herintaona izao no efa naaton’ny FAT ny antenimieram-pirenena. Tsy nipetra-potsiny anefa ireo mpiasa fa nanamafy ny fahaiza-manaony. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ENAM dia nisy ny fiofanana momba ny fahaizana mifehy ny rijanteny sy ny fanoratana, ny arofenitra ary ny fandraharahana ara-barotra ataon’ny fanjakana nomena azy ireo. Efa-bolana ny faharetan’ny fiofanana izay nanomboka tamin’ny febroary lasa teo ka nifarana tamin’ny fiandohan’ity volana ity ka mpiasa 136 no nandray anjara. Tontosa omaly teny Androhibe ny fizarana ny maripahaizana. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Enam, Randrianasolo Alexandre, fa zava-dehibe tokoa ny nahavitan’ny mpiasa ity fiofanana ity ahafahany manatsara sy manafaingana ny asany. Tsy hiato eo anefa ny fiofanana fa hitohy amin’ny sehatra hafa indray hoy ny Sekretera jeneralin’ny Antenimiera, Randriamahafanjary Calvin. Nambarany moa fa efa vonona handray ireo solombavambahoaka amin’ny Repobika faha-4 ireo mpiasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT