Actualités

Antaninarenina Karana nisy naka an-keriny


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010


Amin’ny andro antoandro be nanahary, tokony ho tamin’ny mitataovovonana no nisy nanao kidnapping ny Karana iray izay tompon’ny toeram-pivarotana firavaka etsy Antaninarenina, afak’omaly. Tsy nisy nahatsikaritra izany rehetra izany satria tao anatin’ny fotoana fohy monja. Teo am-panidiana fivarotana izy raha araka ny vaovao azonay no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny. Omaly ireo jiolahy vao niantso ary tsy iza fa ireo Karana mpivarotra firavaka eo amin’ny manodidina ihany no nantsoiny ary nilazany fa vola 1.2 miliara no tadiaviny ho solon’ny ain’ilay Karana. Raha ny fantatra dia tsy eto an-drenivohitra ny fianakavian’io Karana io amin’izao fotoana izao. Izay no heverina fa antony nahatonga ny antso an-tariby nitontona tany amin’ireo namany. Tsy mbola hita hatramin’ny omaly izay nisy ilay Karana. Fanafihana mitam-piadiana etsy, fakana an-keriny eroa. Dia mbola azo lazaina ve hoe milamina ny tanàna ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT