Actualités

Antaninarenina


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Nankatoavina omaly ny drafitra hahafahana mampandroso ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Hanomboka amin’ity taona 2015 ity no hampiasana azy io maharitra efa-taona raha mahatratra hatrany amin’ny 4 800 miliara Ariary kosa ny tetibola ilaina amin’izany.

Tanjona ny hananantsika politika sy paikady ho enti-miady amin’ireo karazan’aretina maro samihafa ankoatra ny fananana tobim-pitsaboana matanjaka.

Zandarimariam-pirenena
Hotanterahina ny volana oktobra izao ny fifaninanana mpianatra ho zandary eto Madagasikara. Isaky ny tobim-paritra misy ny zandary dia misy ny ivontoeram-panadinana hahafahan’ireo mpifaninana misoratra anarana sy manao ny fanadinana. Miisa 1 200 mianadahy ireo mpianatra ho zandary alaina amin’ity andiany faha-72 ity. Ny 1050 amin’ireo dia lehilahy ary ny 150 vehivavy.

Fisarana Anosy
Tsy tontosa raha tokony ho natao omaly ny fitsarana ireo olona 37 voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandorana Italianina telo, Frantsay iray ary teratany Malagasy iray, tany Nosy-Be tamin’ny 3 oktobra 2013. Nisy zandary roa tokony hiatrika fitsarana saingy tsy tonga, ka dia naverina any Tsiafahy ny 6  sy eny  Antanimora ny 29 tamin’ireo voampanga omaly, vehivavy 2 nahazo fahafahana vonjimaika.

 

JMJ Mada 8
Niainga omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro tao Sambava ireo tanora katolika avy any Antalaha, Andapa sy Sambava hamonjy ny Fihaonamben’ny tanora katolika hatao any Fianarantsoa manomboka amin’ny 15 - 22 septambra ho avy izao. Fiara lehibe fito no niara-niainga.

 

Antenimieram-pirenena
Hanolotra boky torolalana mikasika ny zon’olombelona ho an’ny Parlemantera sy boky torolalana mirakitra ny asa aman’andraikitry ny Parlemantera ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny Kaomisaria misahana ny zon’olombelona anio. Hatao eny Tsimbazaza ny lanonana.

 

Herinaratra
Nanome mpihary herinaratra anankiroa afaka mamokatra herinaratra 13 megawatts an'ny Jirama ny orinasa Ambatovy.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT