Omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro mahery no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity tetsy Antanimena. Araka ny fantatra dia avy any Antanimena ambony hihazo ny Foibe ara-kolontsaina Amerikanina ny moto mpialoha lalana nitondra ny filohan’ny FAT, Rajoelina Andry no nandona olona ary maty mihitsy ny iray.
Araka ny fitantaran’ny manodidina dia nirimorimo mafy ny fandehan’ilay moto mpisava lalana nentina polisy ka nandona olona sendra niampita. Efa teny amin’ny sisin-dalana akaikin’ny trano fivarotana akanjo no voadona ary nianjera avy hatrany ka maty teo no ho eo.
Taorian’izay dia nandona fiara nijanona teo amin’ny sisin-dalana indray io moto io rehefa tsy nijanona. Potika ihany koa ny fitaratra sy ny jiro aoriana an’io fiara io. Mbola lasa ihany ilay moto ka 20 na 30 metatra taorian’izay dia nandona olona iray hafa indray. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ihany koa ity farany.
Taorian’io vao nitsambikina ilay mpitondra ilay moto ka nianjera. Ilay tanjozotram-piara na kortezy kosa tsy nijanona mihitsy na teo aza izany rehetra izany. Ireo fiara Toyota 4x4 roa V8 taoriana no nijanona araka ny fantatra ka nifaoka avy hatrany ilay olona maty teo no ho eo. Ny sasany tamin’ireo mpiambina avy hatrany dia nandraraka rano «eau vive» tsy latsaka ny fito tavoahangy nanasana ireo ra nikoriana be dia be teo amin’ny sisin-dalana.
Minitra vitsy taorian’izay dia tonga ny miaramila iray kamio niambina avy hatrany ilay moto satria araka ny fantatra dia natahotra sao hovonoin’olona ity polisy nitondra ilay moto ity. Mbola miady amin’ny fahafatesana moa ilay olona faharoa voadona hatramin’izao eny amin’ny hopitaly Soavinandriana.
Ireo havan’ilay maty kosa omaly teny amin’ny tranompatin’ny Hjra dia nanamarika fa tsy hanaiky manoloana izao toe-draharaha izao. Ilay tompon’ny fiara koa araka ny fantatra dia nilaza fa n’inona n’inona ho vokany dia tsy hanaiky izy ireo fa hitory. Ny feo niely omaly hariva taorian’ity loza ity dia hoe : olona mamo ireo olona voadona ireo ary fanahy iniana mihitsy ny nanapaka ilay kortezy. Toerana roa samihafa no nahavoadona ireo olona kanefa dia samy mamo avokoa izany izy ireo ?
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.