Actualités

Antanimena Nahitana baomba indray


  • Zoma 19 Novambra 2010


Tokony ho tamin’ny folo ora maraina omaly no nahitana ity baomba vita gasy tao amin’ny Immeuble Santa, Antanimena. Teo akaikin’ny trano fisakafoanana no nahitana an’izany. Nisahotaka ny olona ary samy namonjy ny ainy. Ny mpitandro ny filaminana rahateo tsy namela ny olona hanakaiky ilay toerana mandra-pialan’ilay baomba teo. Voafehy ihany ny loza, fotoana fohy avy eo rehefa tonga teo ny miaramila manampahaizana amin’izany. Notapahina ny lalana ary nitohana ny fifamoivoizana vokatr’izany. Raha tsiahivina dia fanintelony izay no nisy baomba hita tao anatin’ny andro vitsivitsy monja. Afak’omaly, ohatra, dia nisy karazana baomba nirefotra teo anoloan’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Ny alahady teo koa dia nisy nitoraka tamin’ny baomba ny fivarotan-dasantsy iray tetsy Tsiazotafo. Ity tetsy Antanimena omaly ity no fanintelony. Toa lasa miverimberina ny fametrahana baomba izay ny ankamaroany dia tsy mipoaka fa entina mampatahotra fotsiny. Tsiahivina fa efa maro ny mpanao politika no nosamborina sy notazomina am-ponja noho ireny baomba tsy mipoaka sy tsy fanta-piaviana ireny. Tsy manam-pitsaharana anefa izy ity. Iza ihany ary no tena tompon’andraikitra ? 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT