Actualités

Antanimena Maty ilay «motard» an’Ambohitsorohitra


  • Zoma 25 Jona 2010


Nodimandry omaly ilay mpitondra moto mpialoha lalana na «motard» an’ny prezidansa izay nifandona tamin’ny olona roa tetsy Antanimena. Omaly izy no namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana raha araka ny vaovao azonay. Hoentina any Fianarantsoa, tany niaviany, ny razana ary any no halevina. Raha hiverenana dia ny alahady tolakandro lasa teo nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nandritra ny fandehanan’ny «cortège» nitondra ny Filohan’ny tetezamita mivady izay hamonjy lanonana tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no nahatonga izao. Olona telo no indray naratra tamin’io fotoana io ka ny iray maty fotoana fohy avy eo. Ny roa kosa naratra mafy, anisan’izany ity polisy izay namoy ny ainy ity, dimy andro taty aoriana. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT