Natomboka omaly ny asa fanajariana sy fanamboarana ny toby fiantsonan’ny fiara miampy zaridaina eny Antanimbarinandriana, tontosain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny fotodrafitrasan’ny kaominina, nampisalorana ny anarana hoe “Amenagement Urbain”io vava asa io. Tanjona ny hanatsarana ny renivohitra sy hanamora ny andavanandron’ny mponin’Antananarivo. Ny zaridaina dia hatao hipetrapetrahan’ny olona sy hakana aina ary koa haingon’ny tanàna. Natao hamahana ny olan’ny tsy fahampian’ny toerana hitobian’ireo fiara kosa ny « parking » satria iaraha-mahita ihany ny fahasahiranan’ny mpampiasa fiara eto Antananarivo. Haharitra tapa-bolana eo ho eo ny asa. Ankoatra ny fandaminana ny tanàna dia miezaka hatrany ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’ny fanaovana asa fanatsarana sy fanadiovana, mba hahatonga ny renivohitr’i Gasikara ho mendrika sy maha te honina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.