Mihamahazo vahana hatrany ny resaka ady tany eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny etsy Antanetibe Ilafy, distrikan’Avaradrano.
Tanin’olon-tsotra mirefy 24 ha indray no misy milaza fa tanim-panjakana ary hanadalany olona amina tokantrano marobe izay efa nakany vola mihitsy mba hikarakarana ny taratasin’io tany io, hono. Tsy nahalala ihany koa ireo fokonolona efa an-jatony ka nanome vola tokoa ary manantena fa hahazo maimaimpoana io tany io. Ireo tena tompony anefa teo an-daniny, tsy nipetra-potsiny satria tany hananany taratasy ara-dalàna sady efa nolovainy tamin’ireo razambeny teo aloha koa. Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’izy ireo teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo ka nitadiavana ilay mpisoloky izany hoe ilay milaza fa tanim-panjakana io tany mirefy 24 ha io ary efa naka volabe tamin’ireo fokonolona. Tsy hita popoka anefa ity farany. Ho an’ireo tompon-tany moa dia nanambara izy ireo fa tsy hiady amin’ireo fokonolona velively satria mampalahelo aza ireto farany noho ny fitaka be vava nataon’ny sasany aza. Ho an’ireo fokonolona kosa dia tsy hanaiky izy ireo fa hitady ilay mpisoloky efa naka ny volany koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Nisy moa ny fihetsiketsehana notanterahin’ireto farany teny amin’ilay tany eny Antanetibe Ilafy ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.