Actualités

Antanetibe-Ambohidrapeto Mpirahavavy nanasa lamba niara-maty an-drano


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Loza tsy roa aman-tany no nanjo ity fianakaviana iray teny Ambohidrapeto ny sabotsy lasa teo satria dia zanaka vavy 2 no niara-maty tao anatin’ny indray mipi-maso.Raha ny fitantaran’ny olona teny an-toerana dia niaraka nanasa lamba izy mirahavavy

Haingotiana (13 taona) sy ny zandriny Felana (11 taona).Nibolisatra ka latsaka tao anatin’ilay dobo ity farany, niroboka hamonjy azy ilay zokiny kinanjo dia niara-nilentika izy mirahavavy.Efa somary lalina ihany moa ny dobo amin’izao fotoana izao satria efa miditra ny rano. Teny Andrafotsilahy fokontany Antanetibe Ambohidrapeto no nitrangan’ity loza ity, hatry ny omaly hariva raha ny fitantaran’ny mponina avy eny an-toerana dia tena mbola tsy tonga saina ary tsy mety mino ny fahafatesan’ireto menaky ny ainy roa vavy ireto ilay renim-pianakaviana.Efa fotoana fiakaran’ny rano ankehitriny koa mila mailo sy mitandrina ny tsirairay satria ny loza rehefa ho avy tsy mampandre.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT