Actualités

Antandrokomby Anosizato Tafakatra 48 tafo sahady ireo traboina


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Tafakatra 48 tafo sahady, misy fianakaviana 72 isa ahitana olona 370 ao amin’ny fokontany Antandrokomby, kaominina Anosizato Andrefana.

Vokatry ny ora-nikija ny fiandohan’ny herinandro teo no nahatonga izany, raha ny fanazavan-dRasoanirina Arimalala, sefom-pokontany ao an-toerana. Tafiditra tao an-tokantranon’ireo fianakaviana miisa 72 ireo daholo ny rano. Nisy tamin’izy ireo no voatery namonjy ny fianakaviany, nisy ireo niverina ihany rehefa nihena ny rano. Ho an-dRamatoa Hanta, renim-pianakaviana niteraka efatra monina eny an-toerana dia namonjy niakatra teny amin’ny arabe izy sy ireo  vady aman-janany raha vao tonga tao an-tokantranony ny reniranon’i Sisaony. Ny tranony rahateo no farany ambany manakaiky ity renirano iray ity. Izay entana zaka ihany no nentiny ary rehefa tena tsy nety nidina ny rano dia namonjy ny EPP Anosizato Andrefana izy eni-mianaka, toerana fanatobiana ireo traboina eny an-toerana. Noho ny asa fivelomany moa no nambaran-dRtoa Hanta fa tsy maintsy hijanonany eny Antandrokomby na dia manofa trano aza izy ireo. Mpanao biriky izy mivady ary avy any Soavinandriana Itasy no fiaviany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT