Actualités

Antananarivo Zaza tsy ampy taona ny 85%-n’ireo mpivarotena


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Fanadihadiana nataona mpanao gazety tamin’ny fikambanana tsy miankina iray eto an-drenivohitra no nahafantarana fa ny 85 isan-jaton’ireo mpivarotena eto Iarivo dia mbola zaza latsaky ny 18 taona avokoa.

 

 Fanadihadiana natao teny Tsaralalana sy 67ha ary Analakely izay toerana tena ahitana betsaka ireo mpampanofa tena no nahazoana izany tarehimarika izany. Mbola fantatra tamin’ny tatitra nataon’ity fikambanana ity koa fa mahatratra 500 isan-taona ny tanora mirotsaka eo amin’ny tsenan’ny fivarotan-tena raha ny eto an-drenivohitra no resahana ka ankizy 13 ka hatramin’ny 17 taona ny ankamaroan’izy ireo. Avy amin’ny firesahana nataon’io fikambanana io tamin’ireto ankizy ireto no nahafantarana fa ny filàna ara-bola noho ny fahantrana no tena nampirisika azy ireo hanao ity asa ity. Eo koa moa ny fitomboan’ireo mpanararaotra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona. Teo amin’ny 50%-n’ireo nanontaniana no nilaza fa efa niharan’izany.  

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT