Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Mitobaka ny hena tsy fanta-pihaviana


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

Tokony ho mailo ny mpanjifa. Mitombo isa ireo toeram-pivarotan-kena tsy ara-dalàna, mivarotra hena tsy fanta-pihaviana. Raha ny vaovao avy amin’ny sampandraharaha manara-maso ny fahasalamana sy ny fahadiovan’ny sakafo avy amin’ny biby etsy Mahamasina dia mitombo isa ireo mpivarotra manokotokoto hena ambony latabatra eny rehetra eny fa indrindra eny Isotry, Ankazomanga, Andranomanalina ary Ambohimanarina.

Mihamaro toy izay koa ny hena tsy voatsara kanefa misy mivarotra. “Hatramin’izay nisian’ny krizy politika teto amintsika no tena nahitana ity tranga ity”, hoy ny dokotera Rakotoarizafy Andriamanana, tale iraisam-paritry ny sampandraharaha miadidy ny fahasalaman’ny biby eto Antananarivo. Raha ny fenitra dia atao anaty fitaratra “vitrine” ny hena amidy rehetra na faraharatsiny amidy anaty trano madio sy mitafo fa voarara kosa ny fivarotana azy ireny anilan’ny fanariam-pako, na amoron-dalana fiveziven’ny olona. Loza mitatao ho an’ny mpanjifa ireo toe-javatra ireo satria mety mitarika aretin-kibo izay mety mahafaty raha tara ny fitsaboana azy ny fihinana hena maloto. Raha ny fanazavan’ity teknisianina ity ihany mantsy dia tena toerana fitomboan’ny mikraoba tokoa ny hena. Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny dia hanamafy ny fanaraha-maso fanaony ireo teknisianina ka manomboka eny amin’ny toerana famonoam-biby na labatoara izany ary mipaka hatreny an-tsena. Hiparitaka amin’ireo faritra 5 eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo “vétérinaire” mpanara-maso miasa eo anivon’ny sampandraharaha manara-maso ny fahasalamana sy ny fahadiovan’ny sakafo avy amin’ny biby. Raofina ary dorana avy hatrany ny hena tsy ara-dalàna, izany hoe tsy fanta-piaviana raha omena ireo fikambanana mpanao asa soa, hopitaly ary fonja kosa ny hena misy ny tombokase avy amin’ny mpanara-maso kanefa namidy tamin’ny toerana tsy manara-penitra.

Nomarihin’ny dokotera Rakotoarizafy Andriamanana fa ny fandraofana ireo entana ihany no sahanin’ny sampandraharaha tantaniny fa anjaran’ny fokontany kosa no manakatona ireo tsena tsy ara-dalàna. Hatramin’ny fiandohan’ny taona dia mpivaro-kena telo sy toeram-pamonoam-biby iray dia ilay etsy Ampasika no nakatona. Efa an-dalam-panarenana ny lesoka misy eo aminy ity farany ka tsy ho ela dia hiverina hiasa. Omby 100 isan’andro no vonoina ao raha 600 kosa ny fitambarany eto an-drenivohitra. Momba ireo hena amidy amin’ireny “Grande surface” ireny dia nanamarika ny tompon’andraikitra fa efa voatsara eny anivon’ny toerana famonoam-biby ny fahasalaman’ny hena vao alefa amin’ireny toeram-pivarotana ireny. Raha hena avy any an-dafy indray dia takiana amin’ny mpanafatra ny taratasy fanamarihana antsoina hoe : “certificat sanitaire” avy amin’ny firenena fiaviany ka iray volana mialoha ny ahatongavan’ny entana eto an-toerana no tokony ho azon’ny mpanara-maso io antontan-taratasy io. Mbola manatanteraka fanaraha-maso ny kalitao fanindroany koa anefa ireo teknisianina eto an-toerana. Araka izany dia azo antoka avokoa hatreto ny hena amin’ireny “Grande surface” ireny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT