Fomba iray nentin’ny mpitantana an’Antananarivo Renivohitra handaminana ny fiarahamonina ny fizarana karatra manokana ahafahan’ireo mpitarika sarety mifamezivezy eto anivon’ny kaominina.
Efa mampihatra sazy ireo tompon’andraikitry ny tanàna manoloana ny tsy fananan’ireo mpitarika sarety karatra alalana hanatontosa ity asa fitadiavam-bola ity. Tranga iray manokana mampiroborobo ny asa fitarihana sarety ankehitriny moa ny fitaomana ranontany. Ny zava-misy aloha dia olona tokana no hita maso misalotra karatra fitarihana sarety saingy miandahy sy miambavy kosa no mifanome tanana manosika ireo gony marobe mavesatra feno ranontany mitanjozotra eny amin’ny arabe. Tsy azo atao ary voararan’ny lalàna velona anefa hatreto ny fitaomana ranontany ao anatin’ireo fokontany mandrafitra ireo boriborintany eto an-drenivohitra. Miara-voasazy avokoa moa na ireo mpikarama manatanteraka ny asa na ireo mpampiasa maniraka mampitatitra ranontany, hoy ny fanamarihana avy amin’ny mpitantana ny kaominina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.