Actualités

Antananarivo Renivohitra Voafehy ny fahadiovan’ny tanŕna


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Niova tokoa Antananarivo. Manana mpitantana tena tompon’andraikitra. Isan-taona toy izao dia miakatra ny feo, ary saika lohatenin-gazety isan’andro ny fako mivangongo etsy sy eroa ary koa ny fofona aterany


, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra fiakaran’ny voankazo isan-karazany toy izao. Fako, misy isan’andro io ary an-jatony taoniny no tsy maintsy esorina eto Antananarivo Renivohitra isan’andro na miaina amin’ny eo am-pelatanany aza ny kaominina, tsy omen’ny Fanjakana foibe fanampiana ara-bola na efa voatondron’ny lalàna aza ny fisian’io fanohanana ara-bola io. Manomboka voafehy anefa izany, voaalan’ny SAMVA ara-potoana ny fako. Resaka toetsaina sy ny fahazaran-dratsin’ny mponina no sisa toy ny fanariana fako ivelan’ny dabam-pako sy anaty tatatra ; manginy fotsiny ny loto avelan’ny mpivarotra amoron-dalana. Fifampitaizana sy fahatsapan-tena ny amin’io, ary ezaka mitohy. Raha te hanana ny tsara sy tontolo iainana madio anefa dia mila fandraisan’andraikitra sy fandavan-tenan’ny isam-batan’olona, ary ho mendrika ny maha renivohitry ny firenena azy Antananarivo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT