Tsy misy intsony ny tany kaominaly eto Antananarivo-Renivohitra, hoy Atoa Bernard Joseph filohan’ny vaomieran’ny fotodrafitrasa sy fampandrosoana ao amin’ity kaominina ity, hany ka sarotsarotra ho an’ny mpanatanteraka, hoy izy, ny mitady toerana hasiana ireo fiara hampidirina “Fourrière”
ao anatin’ny tetikasa fanadiovana ny tanàna. Mikasika ireo trano fananan’ity kaominina ity koa dia efa hita taratra fa tsy ahitana firy intsony satria efa lasan’olon-tsotra ohatra ny eny Avaradoha, Analamahitsy ary Soavinandriana noho ny “délibération” nivoaka tamin’ny taona 2011 izay tsy nasian’ny prefen’ny polisy tamin’ny fotoan’androny valin-teny ka nanankery ho azy araka ny lalàna velona. Tsy azo amidy velively amin’ny olon-tsotra ny fananan’ny kaominina, hoy izy. Nisy, araka izany, ny “délibération” nivoaka tamin’ity taona 2015 ity nanova ho azy ny fanapahan-kevitra tamin’io taona 2011 io satria nosoniavin’ny “préfet de police” am-perinasa. Dia miato hatreo aloha ny resaka fandoavam-bola teny amin’ny “trésor public” nataon’ireo olona nahazo ny trano izay saika olona ambonimbony tao amin’ity kaominina ity no nahazo azy. Efa misy rahateo ny tetikasa hanomezan’ny kaominina “logement” ho an’ireo vahoaka madinika hiainga tsy ho ela.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.