Actualités

Antananarivo renivohitra Trano 3, fiara 1 kila forehitra


  • Alakamisy 18 Novambra 2010


Ny harivan’ny talata 16 novambra teo dia nisy fisehoan-javatra tsy mahazatra ny mponina niseho teto an-drenivohitra. Teny Ambatomitsangana, ohatra, dia taxi-be minibus iray no kila forehitra, tsy nisy azo noraisina intsony. Ny sasany milaza fa “court-circuit” no fototry ny loza, ny hafa indray milaza fa nisy lehilahy iray nandraraka lasantsy ilay fiara. Ny nahagaga dia tsy nisy nanakana ilay lehilahy kanefa dia voalaza fa nisy mpandeha tao anatin’io fiara fitaterana io. Trano vitsivitsy ihany koa no kila tetsy Andravoahangy ambony. Anisan’ireny ny foiben-toerana misy ny antoko AKFM. Tsy fantatra ny tena niavian’ny afo izay sarotra ny nifehezana azy satria ora roa taty aoriana vao maty ny afo. Araka ny fantatra aza dia mbola nisy ambin’afo ihany tao amin’ireo toerana. Vokany, trano telo no lavon’ny afo ary nanodidina ny 20 ireo tsy manan-kialofana ankehitriny. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Toy izao sisa no niafaran’ilay fiara fitateram-bahoaka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT