Actualités

Antananarivo Renivohitra - Région Île de France Nanoritra ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Nanatanteraka dinik’asa tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 6 martsa 2018 ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana sy ny filoha Lefitra Voalohan’ny Région-Ile-de France Jérôme Chartier.

Nandritra izany no namaritan’ny roa tonta ny ho endriky ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina dia ny hananganana vaomiera manokana ahitana ny vahiny amin’ny alalan’ny Paris Région Expertise na ny PRX izay eto Antananarivo sy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ahafahana mametraka ny fanomezan-danja sy ny maha izy azy ny faritra avo eto Antananarivo toy ny eny amin’ny faritr’Andohalo sy ny manodidina ary tsy hatao ambanin-javatra ny fanavaozana amin’ny lafiny maro ny antsoina hoe « Haute Ville » eto Iarivo noho ny fitahirizany ny tantaran’i Madagasikara. Faniriana ny hahatanteraka izany satria tsy Antananarivo ihany no hisongadina fa i Madagasikara iray manontolo. Anisan’ny nohamafisin’i Jérôme Chartier fa ny fanomezan-danja ny Vakoka dia miteraka ainga vao amin’ny fampandrosoana ny toekarena ka manana sehatra lehibe ao anatin’izany ny fizahantany sady manosika rahateo ny Malagasy hahafantatra ny tantarany. Ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana kosa no nanasongadina fa efa azo tsapain-tanana amin’izao fotoana ny fiverenan’ny lanjan’Antananarivo ary zava-dehibe ny fahatsapan’ny Malagasy fa an’ny rehetra Antananarivo. Tsapa koa, hoy izy, fa manana fahavononana hivoatra ny vahoakan’Antananarivo. Tsy atao ambanin-javatra koa ny fijerena akaiky ireo eny amin’ny faritra iva amin’ny mahaolombelona satria mendrika izany Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy. Ankoatra izay, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ihany dia nasaina sahady ny tenany hihaona amin’ny filohan’ny Région Ile de France.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT