Mitohy ireo asa fanamboaran-dalana mampitohy ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra, hoy ny mpitantana vonjimaika ny tanŕnan’Antananarivo ny Sekretera jeneraly Rakotoarimanana. Potika ny 55%-n’ny lalana izay mirefy 122,5 amin’ny 220 km mandrakotra ny renivohitr’i Madagasikara vokatry ny
fandalovan’ny rivodoza farany, araka ny fanamarihan’ny tale teknika eo anivon’ny CUA Andriantsilavo Zo Christian. Voasokajy ho asa mila fanarenana maika moa ny 25,76 km amin’ireo. Eo am-panatontosana ny ampahany voalohany mirefy 13 km ankehitriny kosa ny mpitantana ny tanàna miaraka amin’ny fanjakana foibe ahitana ireo minisitera mpiahy ka vinavinaina hatrany amin’ny 65% ny asa efa vita, araka ny fanazavan’ireto tompon’andraikitra ireto teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly.
Tsy azo aleha Ambatonakanga
Ho tapaka ny lalana Samuel Ramefy manomboka ny alakamisy 14 mey izao. 10 andro ny faharetan’ny asa fanamboarana izay tsy iverimberenana intsony fa tena haharitra amin’izay, raha ny fanampim-panazavana nomen’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina. Fanatsarana entina ny fametrahana fantsona natao handehanan’ny rano ho hita amin’ny an-daniny sy an-kilan’ny lalana rarivato fidinambe manoloana ny Cite Ambatonakanga. Mirefy 256 m miaraka amin’ny sakany 5 m ity fotodrafitrasa harenina ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.